Kolosiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 4
- 1Hianareo tompo, ataovy amin’ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
- 2[Ny amin’ny naman’i Paoly, sy fanaovam-beloma ny sakaizany tao Kolosia] Mahareta amin’ny fivavahana, ka miambena amin’izany amin’ny fisaorana,
- 3ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an’i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
- 4mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
- 5Mandehana amin’ny fahendrena amin’izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
- 6Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
- 7Ny toetro rehetra dia holazain’i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ny Tompo;
- 8ny anton’ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
- 9ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ .
- 10Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
- 11ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
- 12Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara* amin’izay rehetra mety ho sitrapon’Andriamanitra. [* Na: ho tanteraka]
- 13Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ny any Laodikia ary ho an’ny any Hierapolia izy.
- 14Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
- 15Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an- tranony.
- 16Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ny fiangonan*’ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ny Laodikiana. [* Gr. eklesia]
- 17Ary lazao amin’i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
- 18Ity no veloma ataon’ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.