Kolosiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 2
- 1[Fananaran’i Paoly ny Kolosiana mba haharitra tsara tsy ho voafitaky ny mpampianatra sandoka] Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny fiezahako ho anareo sy izay any Laodikia mbamin’izay rehetra tsy mbola nahita ny tavako amin’ny nofo,
- 2mba hampifalina ny fony amin’ny ampiraisana azy amin’ny fitiavana sy ho amin’ny haren’ny fahatokiana be avy amin’ny fahazavan-tsaina, ho amin’ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an’Andriamanitra, dia Kristy,
- 3Izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
- 4Ary izany no lazaiko, fandrao hisy hampahadiso hevitra anareo amin’ny teny toa marina.
- 5Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ny finoanareo an’i Kristy.
- 6Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa,
- 7ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto* amin’ny fisaorana. [* Na: (mitombo amin’izany)]
- 8Tandremo fandrao misy mahalasa anareo ho babony amin’ny filosofia sy ny famitahana foana, araka ny fampianarana voatolotry ny razana, araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, fa tsy araka an’i Kristy.
- 9Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’Andriamanitra rehetra;
- 10ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan’ny fanapahana sy ny fahefana rehetra,
- 11ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy;
- 12fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny batisa, izay niarahanareo natsangana taminy koa noho ny finoana ny asan’Andriamanitra, izay nanangana Azy tamin’ny maty.
- 13Ary ianareo, izay efa matin’ny fahadisoana sy ny tsi-fiforan’ny nofonareo, dia novelominy niaraka tamin’i Kristy, rehefa navelany ny fahadisoantsika rehetra;
- 14ary novonoiny ny sora-tànan’ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin’ny hazo fijaliana,
- 15ary nesoriny tsy ho eo amin’ny tenany* ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon’izay avy nandresy. [* Na: noreseny ka nobaboiny]
- 16Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin’ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata;
- 17aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an’i Kristy.
- 18Aza mety hofitahina tsy hahazoanareo ny loka noho ny fanetren-tena haitraitra sy ny fivavahana amin’ny anjely, ka mitompo amin’ny zavatra efa* hitany sady feno fiavonavonana noho ny fisainan’ny nofony [* Na: (tsy)]
- 19ka tsy mihazona ny Loha; Izy no itomboan’ny tena rehetra, izay velomina sy ampiraisina tsara amin’ny famavany sy ny hozatra, araka ny fampitomboan’Andriamanitra.
- 20Ary raha niara-maty tamin’i Kristy ianareo ka efa afaka tamin’ny abidim-pianaran’izao tontolo izao, nahoana no toa mbola velona amin’izao tontolo izao ihany ianareo ka mety hodidiana hoe:
- 21Aza mandray, aza manandrana, aza manendry -
- 22levona amin’ny fanaovana ihany izany rehetra izany - araka ny didy sy ny fampianaran’olona?
- 23Izany rehetra izany dia ankalazaina ho fahendrena amin’ny fivavahana haitraitra sy ny fanetren-tena ary ny fampahoriana ny tena, nefa tsy manan-kery akory hahasakana ny fampanaranana ny nofo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.