Kolosiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 3
- 1[Ny tokony hanariana ny asan’ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra.
- 2Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.
- 3Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra.
- 4Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ny voninahitra ianareo.
- 5Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;
- 6fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsi-fanarahana;
- 7izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.
- 8Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo.
- 9Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin’ny asany; [* Gr. olona]
- 10ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’izay nahary azy. [* Gr. olona]
- 11Fa amin’izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ny rehetra. [* Gr. Grika]
- 12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala.
- 13Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany; tahaka ny namelan’ny Tompo* ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. [* Na: (Kristy)]
- 14Ary aoka ho ambonin’izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ny fahatanterahana izany.
- 15Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy, fa ho amin’izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
- 16Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’Andriamanitra.
- 17Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
- 18Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo.
- 19Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra* aminy. [* Gr. mangidy]
- 20Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ny Tompo izany.
- 21Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.
- 22Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ny zavatra rehetra, tsy amin’ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’olona, fa amin’ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;
- 23ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona,
- 24satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’i Kristy Tompo ianareo.
- 25Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’olona,
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.