Nahoma
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 3
- 1Lozan’ny tanàna mpandatsa-drà! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy ialan-dremby ao aminy.
- 2Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon’ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy!
- 3He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan’ny voatrabaka sy ny hamaroan’ny voavono! Tsy hita isa ny faty, Eny, voafingampingan’ny faty ny olona,
- 4Noho ny habiazan’ny fijangajangan’ikala janga tsara tarehy, Tompovavin’ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin’ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin’ny fankatovany.
- 5Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; Ary haingaiko ho amin’ny tavanao ny moron-tongotr’akanjonao, Ka hasehoko amin’ny firenena ny fitanjahanao Sy amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.
- 6Dia hotsipazako loto ianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana ianao.
- 7Arv izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao ?
- 8Tsara noho No-amona va ianao? Ilay nitoetra teo anelanelan’ny ony Ka nohodidinin’ny rano; Ny rano be* no rovany, Ary ny rano be koa no mandany;[Heb. ranomasina]
- 9Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy*.[Heb. anao]
- 10Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; Ny zanany madinika koa notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana.
- 11Hianao koa ho mamo ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao.
- 12Ny manda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan’izay hihinana aza.
- 13Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran’ny fahavalonao no hidananan’ny vavahadin’ny taninao; Levon’ny afo ny hidinao.
- 14Manangona rano ho anao ho an’ny fahirano; Hamafio ny mandanao; Mirotsaha amin’ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoroam-biriky.
- 15Any no handevonan’ny afo anao Sy handripahan’ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan’ny valalavao ianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala.
- 16Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin’ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka* ny valalavao ka lasa manidina.[Na: mandevona]
- 17Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao* dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin’ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro, dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany.[Na: mpanoratrao]
- 18Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan’i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy.
- 19Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hiteha-tanana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.