Nahoma
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 2
- 1Injany! any an-tendrombohitra ny tongotry ny mitondra teny soa mahafaly Sady mitory fiadanana! Tandremo ny andro firavoravoanao, ry Joda, Efao ny voadinao; Fa tsy handeha hamaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, Indray ripaka izy rehetra.
- 2Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
- 3Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr*’i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr*’Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.[*Na: miverina ho amin’ilay reharehany][**Na: toy ny amin’ny reharehany]
- 4Nomenaina ny ampingan’ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin’ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
- 5Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
- 6Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin’ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
- 7Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka* ny lapa.[Heb: miempo]
- 8Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia* lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.[Na: Hozaba dia nampitanjahina ka]
- 9Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
- 10Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan’ny fanaka mahafinaritra rehetra.
- 11Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.
- 12Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben’ny liona tanora ? Ilay nandehanan’ny liona sy ny liom-bavy mbamin’ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
- 13Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an’ny zanany Ary nanenda ho an’ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.
- 14Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao* Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin’ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon’ny irakao.[Heb; kalesiny]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.