Nahoma
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 1
- 1[Ny handravana an’i Ninive noho ny fandozany] Faminaniana ny amin’ny loza hanjo an’i Ninive, dia ny bokin’ny fahitan’i Nahoma Elkosita.
- 2Andriamanitra saro-piaro sy mamaly heloka Jehovah; Jehovah dia Mpamaly heloka sady be fahatezerana; Jehovah dia Mpamaly ny rafilahiny Ary mitahiry fahatezerana hamelezany ny fahavalony.
- 3Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin’ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan’i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
- 4Miteny mafy ny ranomasina izy ka mahatankina azy Ary mandritra ny ony rehetra; Malazo Basana sy Karmela. Ary malazo koa ny vonin’i Libanona.
- 5Mihorohoro eo anatrehany ny tendrombohitra, Sady miempo ny havoana, Ary mientanentana eo anatrehany ny tany, Dia ny tany onenana sy ny mponina rehetra ao aminy.
- 6Iza no mahatoetra eo anoloan’ny fahavinirany? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Aidina toy ny afo ny fahatezerany, Ary mirodana eo anoloany ny vatolampy.
- 7Tsara Jehovah, fiarovana mafy amin’ny andro fahoriana,Ka mahalala izay mialoka aminy.
- 8Fa amin’ny riaka manafotra no anafoanany ny fitoerany, Ary ny fahavalony dia henjehiny ho any amin’ny* maizina.[Na: henjehin’ny; na henjehiny amin’ny]
- 9Inona no heverinareo ho enti-manohitra an*’i Jehovah ? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.[Na: ahoana no hevitrareo ny amin’i]
- 10Fa na dia miforiporitra toy ny tsilo aza ireny Sady vonton’ny divay mahery fibobohany, Dia ho levona tokoa toy ny vodivary maina* izy.[Na: dia ho levona toy ny vodivary karankaina]
- 11Avy tao aminao no nivoahan’ny anankiray izay misain-dratsy ho enti-manohitra an’i Jehovah Sady mamoron-kevi-dratsy.
- 12Izao no lazain’i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.
- 13Fa ankehitriny hotapahiko ny ziogany ho afaka aminao, Ary hotosako ny famatorana anao.
- 14Ary Jehovah efa nandidy ny aminao hoe: Tsy ho velo-maso intsony ny anaranao; Hataoko tapaka tsy ho ao an-tranon’ny andriamanitrao ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra an-idina; Hanao ny fasana ho anjaranao Aho, satria hita fa latsa-danja ianao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.