Habakoka
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 1
- 1[Ny fandozana nataon’ny Kaldeana, ary ny fitarainan’ny mpaminany noho izany] Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan’i Habakoka mpaminany.
- 2Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
- 3Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
- 4Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan’ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra* .[Heb. miolana]
- 5Jereo any amin’ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin’ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
- 6Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka* sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran’ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.[Heb. mangidy]
- 7Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin’ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
- 8Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia* hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.[lopa]
- 9Hampidi-doza no ihavian’izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra*, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.[Na: atrehan’izy rehetra]
- 10Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany* izy ka mahafata azy.[Heb. vovoka]
- 11Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
- 12Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
- 13Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
- 14Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
- 15Aingainy amin’ny fintana izy rehetra, Samboriny amin’ny haratony Ary sarihany amin’ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.
- 16Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
- 17Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin’ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.