Mika
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
Toko 4
- 1[Ny hampodian’i Jehovah ny voninahitr’i Ziona, rehefa avy nampahorina izy] Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany.
- 2Eny, maro ny jentilisa no hiainga ka hanao hoe: Andeha Isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, Ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ny lalany, Ka handehanantsika amin’ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.
- 3Ary hitsara ny adin’ny firenena maro Izy Ka hampiaiky ny firenena mahery hatrany amin’ny lavitra; Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny Ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka; Ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely; Na hianatra ady intsony.
- 4Fa samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, Ary tsy hisy hanaitaitra azy; Fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.
- 5Fa ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; Fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.
- 6Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, No hanangonako ny mandringa Sy hamoriako izay noroahina Mbamin’izay nampahoriko;
- 7Ary ny mandringa no hapetrako ho sisa, Ary izay noroahina lavitra ho firenena mahery; Ary Jehovah hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Ziona Hatramin’izany ka ho mandrakizay.
- 8Ary ianao, ry tilikambon’ny andiany*. Tendrombohitr’i Ziona** zanakavavy, Aminao no ho tonga izany, eny, ho tonga ny fanapahana voalohany, Dia ny fanjakan***’ i Jerosalema zanakavavy.[*Na: tilikambon’i Edera][**Na: Ofelan’i Ziona][***Na: hanjakana aminy]
- 9Koa nahoana no mitaraina mafy ianao? Moa tsy misy mpanjaka va ao aminao, Sa lany ringana avokoa ny mpanolotsainao, No dia azon’ny fanaintainana ianao, toy ny vehivavy raha miteraka?
- 10Ry Ziona zanakavavy, mararia, ka manezaha, Toy ny vehivavy raha miteraka! Fa ankehitriny dia hivoaka avy any an-tanàna ianao Ka hipetraka any an-tsaha, Ary dia ho tonga hatrany Babylona aza; Any no hamonjena anao, Eny, any no hanavotan’i Jehovah anao ho afaka amin’ny tanan’ny fahavalonao.
- 11Ary ankehitriny dia tafangona hamely anao ny firenena maro, Izay manao hoe: Aoka halam-baraka* Ziona, Ary aoka ny masontsika ho faly mijery azy.[Heb. holotoina]
- 12Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitr’i Jehovah, Na azony ny fisainany; Fa efa nanangona azy toy ny amboara ho ao am-pamoloana Izy.
- 13Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao* ho an’i Jehovah ny hareny, Ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany.[Heb. hataoko herema]
- 14Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin’ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran’ny Isiraely izy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.