Mika
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
Toko 2
- 1[Ny heloky ny Isiraely, sy ny hampijaliana azy, ary ny mbola hampodiana azy indray] Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.
- 2Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin’ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin’ny lovany.
- 3Koa izao no lazain’i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, Ka tsy handeha miandranandrana ianareo, Satria andro mampahory izany.
- 4Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe: Efa levona izao! Eny, hiteny izy hoe: Fongana tokoa isika; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko; Endrey! afindrany hiala amiko izany! Samy zarainy ho an’ny mpiodina avy ny tanintsika!
- 5Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin’ny fiangonan’i Jehovah.
- 6Aza miteniteny* ianareo, hoy ny fiteniteniny*; Aoka tsy hiteniteny* ny amin’ireto izy, Tsy hita lany** ny fanalam-baraka ataony![*Heb. mampitete][**Na: raha tsy miteniteny amin’ireto izy, dia tsy ho afaka]
- 7He! izany teny izany! Ry taranak*’i Jakoba, Malaky tezitra va ny Fanahin’i Jehovah? Ireto va no asa fanaony? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko? [Na: he!ianao izay atao hoe taranak’i]
- 8Vao omaly no omaly no nitsanganan’ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin’ny lamba ny kapĂ´tin’izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.
- 9Ny vehivavy eo amin’ny oloko dia roahinareo hiala amin’ny tranony mahafinaritra; Esorinareo hiala mandrakizay amin’ny zanany madinika ny voninahitro.
- 10Mitsangàna, ka mialà (Fa tsy eto no fitsaharana), Satria misy fahalotoana mahatonga fandringanana eto, eny, fandringanana mafy.
- 11Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny* aminao ny amin’ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin**’ity firenena ity.[*Heb. hampitete][**Heb. mpampiteten’]
- 12Hamory anareo rehetra tokoa Aho, ry Jakoba, Ary hanangona ny sisa amin’ny Isiraely tokoa, Hakambako toy ny ondry any amin’ny vala* izy, Toy ny ondry andiany ao amin’ny tany fiandrasana; Hitabataba izy noho ny hamaroan’ny olona.[Na: any Bozra]
- 13Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin’ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.