Mika
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
Toko 1
- 1Ny tenin’i Jehovah izay tonga tamin’i Morastita tamin’ny andro nanjakan’i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan’ny Joda, dia ilay hitany ny amin’i Samaria sy Jerosalema.
- 2[Ny loza hanjo an’i Samaria sy Joda] Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin’ny tempoliny masina.
- 3Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin’ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin’ny tany.
- 4Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin’ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin’ny hantsana.
- 5Noho ny fahadisoan’i Jakoba sy ny fahotan’ny taranak’Isiraely no isian’izany rehetra izany. Iza no nahadiso an’i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon’i Joda? Tsy Jerosalema va?
- 6Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
- 7Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin’ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin’ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin’ny vehivavy janga indray izy.
- 8Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona* toy ny amboadia** aho Ary hikiakiaka*** toy ny ostritsa.[*Heb. hisaona][**Na: jakala][***Heb. hitomany]
- 9Fa tsy azo sitranina ny ferin’i Samaria*; Fa mihatra amin’i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin’ny oloko aza, dia any Jerosalema.[He. ny feriny]
- 10Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina* vovoka ao Beti-le-afra** aho.[*Na: mihosinkosena... ianao][**Beti-le-afra = fitoeram-bovoka]
- 11Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira*; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan’i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.[Safira: = tsara tarehy]
- 12Fa malahelo* ny soa ny mponina ao Marota*, Satria loza no efa nidina avy tamin’i Jehovah ho ao am-bavahadin’i Jerosalema.[*Heb. manaintaina][**Marota = fangidiana]
- 13Fehezo amin’ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan’ny fahotan’i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan’Isiraely.
- 14Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’i Moresetagata; Ranotrambo ho an’ny mpanjakan’ny Isiraely ireo tranon’i Akziba*.[Akziba = ranotrambo]
- 15Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa*; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’Isiraely.[Maresa = lova]
- 16Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an’ny voltora*, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.