Mika
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
Toko 3
- 1[Ny nahadiso ny lehiben’ny Isiraely sy ny mpaminany, ary ny handravana an’i Jerosalema]Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon’i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak’Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?
- 2Dia ianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, Izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin’ny taolany,
- 3Eny, ianareo izay homana ny nofon’ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin’ny fahandroan-kena.
- 4Amin’izany dia hitaraina amin’i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin’izany andro izany Izy Araka ny faharatsian’ny nataon’ireo.
- 5Izao no lazain’i Jehovah ny amin’ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin’ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina:
- 6Koa izany no hisian’ny alina aminareo, ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpaminany ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro,
- 7Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin’Andriamanitra.
- 8Fa izaho kosa dia feno hery, dia* ny Fanahin’i Jehovah, Mbamin’ny rariny sy ny faherezana, Mba hanambara amin’i Jakoba ny helony Sy amin’Isiraely ny fahotany.[Na:amin’]
- 9Masìna ianareo, mihainoa izao, Ry loholon’ny taranak’i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak’Isiraely, Dia ianareo izay manao ny rariny ho fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra,
- 10Dia izay manangana an’i Ziona amin’ny fandatsahan-drà Sy Jerosalema amin’ny faharatsiana.
- 11Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatovana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe: Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika.
- 12Koa dia hasaina toy ny tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.