1 Mpanjaka
Toko 21
- 1[Ny namonoana an’i Nabota. sy ny nahazoan’i Ahaba ny tanim-boalobony ary ny loza voalaza Anjo an’i Ahaba] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin’ny lapan’i Ahaba, mpanjakan’i Samaria.
- 2Ary Ahaba niteny tamin’i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
- 3Fa hoy Nabota tamin’i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan’i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
- 4Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
- 5Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao?
- 6Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin’i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.
- 7Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok’i Nabota Jezirelita.
- 8Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Ahaba, ka notombohiny tamin’ny fanombohan-kasen’andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin’ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin’i Nabota.
- 9Ary izao no nosoratany tao amin’ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan’ny olona Nabota.
- 10Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
- 11Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan’i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin’ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.
- 12Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an’i Nabota teo anatrehan’ny olona.
- 13Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an’i Nabota teo anatrehan’ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an’Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin’ny olona nivoaka teny ivelan’ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
- 14Dia naniraka tany amin’i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.
- 15Ary rehefa ren’i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin’i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok’i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.
- 16Ary rehefa ren’i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin’ny tanim-boalobok’i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.
- 17Ary ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Elia Tisbita ka nanao hoe:
- 18Miaingà, ka midìna hihaona amin’i Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin’ny tanim-boalobok’i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.
- 19Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain’i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Ao amin’ny tany izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
- 20Ary hoy Ahaba tamin’i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah.
- 21Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin’ny taranak’i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin’ny Isiraely.
- 22Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’i Jeroboama, zanak’i Nebata, sy tahaka ny taranak’i Basa, zanak’i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.
- 23Ary ny amin’i Jezebela koa dia nolazain’i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an’i Jezebela eny ivelan’ny màndan’i Jezirela.
- 24Izay tamingan’i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ny voro-manidina.
- 25Fa tsy nisy tahaka an’i Ahaba,izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy.
- 26Ary izy nanao vetaveta loatra tamin’ny 1 nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon’ny Amorita. izay noroahin’i Jehovah teo anoloan’ny Zanak’Isiraely.
- 27Ary rehefa ren’i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
- 28Ary ny tenin’i Jehovah tonga tamin’i Elia Tisbita ka nanao hoe:
- 29Hitanao va ny nanetren’i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy. dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin’ny androny; fa any amin’ny andron’ny zanany vao hahatonga loza amin’ny taranany Aho.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.