1 Mpanjaka
Toko 10
- 1[My namangian’ny mpanjakavavin’i Sheba an’i Solomona] Ary ny mpanjakavavin’i Sheba, rehefa nahare ny lazan’i Solomona ny amin’ny anaran’i Jehovah. dia avy hizaha toetra azy amin’ny fanontaniana sarotra,
- 2ka tonga tany Jerosalema izy mbamin’ny mpanaraka maro be sy ny rameva izay nitondra zava-manitra sy volamena sesehena ary vato soa; ary rehefa tonga tany amin’i Solomona izy, dia nilaza taminy izay rehetra tao ampony.
- 3Ary voavalin’i Solomona izy tamin’izay rehetra nanontaniany azy; tsy nisy zavatra niafina tamin’ny mpanjaka, ka dia nambarany azy avokoa.
- 4Ary rehefa hitan’ilay mpanjakavavin’i Sheba ny fahendren’i Solomona rehetra sy ny trano izay nataony
- 5sy ny fihinany teo amin’ny latabany sy ny fipetrahan’ny tandapany sy ny fitoeran’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao* an-tranon’i Jehovah, dia talanjona terỳ izy. [Na: ny fanatitra odorany izay nateriny tao]
- 6Ka hoy izy tamin’ny mpanjaka: Marina ny teny efa reko tany amin’ny taniko ny amin’ny teninao sy ny fahendrenao.
- 7kanefa tsy nino ny filazana aho, raha tsy tonga atỳ, ka ny masoko no mahita, kanjo hay! na dia ny antsasany aza tsy voalaza tamiko akory: fa, indro, ny fahendrenao sy ny voninahitrao dia mihoatra lavitra noho izay laza efa reko.
- 8Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao
- 9Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay tia anao ka nametraka anao amin’ny seza fiandrianan’ny Isiraely; fa noho ny fitiavan’i Jehovah, izay itiavany ny Isiraely mandrakizay, no nanaovany anao ho mpanjaka mba hanao fitsarana sy fahamarinana.
- 10Ary izy nanome talenta volamena roa-polo amby zato sy zava-manitra sesehena ary vato soa ho an’ny mpanjaka; tsy nisy intsony zava-manitra be indrindra tonga tahaka ilay nomen’ny mpanjakavavin’i Sheba ho an’i Solomona mpanjaka.
- 11Ary ny sambon’i Hirama koa, izay naka volamena avy any Ofira, dia nitondra hazo almoga be indrindra sy vato soa avy any Ofira.
- 12Ary ny hazo almoga dia nataon’ny mpanjaka arofanina tamin’ny tranon’i Jehovah sy ny lapan’andriana ary nataony lokanga sy valiha ho an’ny mpihira kosa; tsy nisy hazo almoga tonga tany na hita toy izany intsony mandraka androany.
- 13Ary Solomona mpanjaka nanome ny mpanjakavavin’i Sheba kosa izay rehetra niriny, na inona na inona nangatahiny, afa-tsy izay nomeny azy araka ny fanomen’i Solomona mpanjaka; ka dia niverina izy, ary lasa nody tany amin’ny taniny izy mbamin’ny mpanompony.
- 14[Ny varotra nataon’i Solomona mbamin’ny hareny sy ny voninahiny] Ary ny lanjan’ny volamena izay tonga tao amin’i Solomona isan-taona dia talenta volamena enina amby enim-polo amby enin-jato,
- 15afa-tsy izay azony tamin’ny mpandranto.sy ny tamin’ny varotry ny mpivarotra ary tamin’ny mpanjakan’ny firenena samy hafa rehetra sy tamin’ny mpanapaka ny tany.
- 16Ary Solomona mpanjaka nanao ampinga volamena lehibe roan-jato tamin’ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena sekely enin-jato no napetaka tamin’ny ampinga lehibe iray.
- 17Ary nanao ampinga volamena telonjato koa izy tamin’ny volamena voafisaka, ka takela-bolamena telo mane no napetaka tamin’ny ampinga iray. Dia napetraky ny mpanjaka tao amin’ny trano Alan’i Libanona ireo.
- 18Ary ny mpanjaka dia nanao seza fiandrianana ivory lehibe, ka nopetahany takela-bolamena tsara indrindra.
- 19Nisy ambaratonga enina tamin’ny seza fiandrianana; ary ny lohan’ny seza fiandrianana, dia boribory ny eo an damosiny; ary nisy fitehenan-tanana teo an-daniny roa amin’ny fipetrahana; ary nisy sarin-diona roa teo an-danin’ny fitehenan-tanana.
- 20Ary nisy sarin-diona roa ambin’ny folo teo an-daniny roa teo amin’ny ambaratonga enina. Tsy nisy natao tahaka izany tany amin’ny fanjakana rehetra.
- 21Ary ny fisotroan’i Solomona mpanjaka dia volamena, ary ny fanaka rehetra tao amin’ny trano Alan’i Libanona koa dia volamena tsara avokoa; tsy nisy volafotsy ireo; fa nataony toy ny tsinontsinona izany tamin’ny andron’i Solomona.
- 22Fa ny mpanjaka nanana sambon’i Tarsisy mbamin’ny sambon’i Hirama teny ambonin’ny ranomasina; ary indray mandeha amin’ny telo taona no nihavian’ny sambon’i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola*.[pavo]
- 23Ary Solomona mpanjaka dia nanankarena sady hendry noho ny mpanjaka rehetra ambonin’ny tany.
- 24Ary ny tany rehetra nitady hahita ny tavan’i Solomona mba hihaino ny fahendrena izay nataon’Andriamanitra tao am-pony.
- 25Ary izy rehetra dia samy nahatonga ny anjarany avy isan-taona, dia fanaka volafotsy sy fanaka volamena sy fitafiana sy fiadiana sy zava-manitra sy soavaly ary ampondra.
- 26Ary Solomona nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly; ary nanana kalesy efajato amby arivo izy sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo amby iray alina, izay nataony tao amin’ireo tanàna fitoeran’ny kalesy sy tao amin’ny mpanjaka tany Jerosalema.
- 27Ary nataon’ny mpanjaka tahaka ny vato ny habetsaky ny volafotsy tany Jerosalema, ary ny hazo sedera nataony toy ny aviavy eny amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka*.[Heb. Sefela]
- 28Ary avy any Egypta no nahazoan’i Solomona soavaly; ary ny iray toko tamin’ny mpandranton’ny mpanjaka dia naka ny andiany iray araka izay vidiny voatendry.
- 29Ary ny vidin’ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany kosa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Syriana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.