1 Mpanjaka
Toko 17
- 1[Ny niandohan’ny asan’i Elia mpaminany] Ary Elia Tisbita, isan’ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin’i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
- 2Ary ny tenin’i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
- 3Mialà eto ianao, dia miantsinanàna ka miere any anilan’ny renirano Kerita, izay any atsinanan’i Jordana.
- 4Koa ny renirano no hisotroanao, ary ny goaika efa nodidiako hamelona anao any.
- 5Dia lasa izy ka nanao araka ny tenin’i Jehovah; fa nandeha izy ka nititra teo anilan’ny renirano Kerita any atsinanan’i Jordana.
- 6Ary ny goaika nitondra mofo sy hena ho azy isa-maraina ary mofo sy hena isan-kariva, ary ny rano tamin’ny renirano no nisotroany.
- 7Ary nony ela, dia ritra ny renirano noho ny tsi-fisian’ny ranonorana tamin’ny tany.
- 8Ary ny tenin’i Jehovah tonga taminy ka nanao hoe:
- 9Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman’i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
- 10Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin’ny fisotroana aho mba hosotroiko.
- 11Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
- 12Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan’ila ao amin’ny barika sy diloilo kely foana ao amin’ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
- 13Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
- 14Fa izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tsy ho lany ny koba ao amin’ny barika, ary tsy ho ritra ny diloilo ao amin’ny tavoara mandra-pihavin’ny andro handatsahan’i Jehovah ranonorana amin’ny tany.
- 15Dia nandeha ravehivavy ka nanao araka ny tenin’i Elia, ary izy sy ravehivavy mbamin’ny ankohonany dia nanan-kohanina elaela ihany.
- 16Nefa tsy lany ny koba tao amin’ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ny tavoara, araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Elia.
- 17Ary nony afaka izany, dia narary ny zana-dravehivavy tompon-trano, ary mafy indrindra ny aretiny, ka efa tsy nisy fofonaina intsony izy.
- 18Dia hoy ravehivavy tamin’i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’Andriamanitra ô ? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako ?
- 19Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
- 20Dia nitaraina tamin’i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin’ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
- 21Dia niampatra intelo tamin’ny zaza izy sady nitaraina tamin’i Jehovah hoe: Jehovah Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hody aminy indray ny ain’ity zaza ity.
- 22Ary Jehovah nihaino ny feon’i Elia, dia nody taminy indray ny ain’ny zaza, ka dia velona izy.
- 23Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..
- 24Ary hoy ravehivavy tamin’i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’i Jehovah aloaky ny vavanao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.