1 Mpanjaka
Toko 19
- 1[Ny nandosiran’i Elia nankany an-efitra, sy ny nisehoan’Andriamanitra taminy tao Horeba, ary ny nanendrena an’i Elisa handimby azy] Dia nolazain’i Ahaba tamin’i Jezebela izay rehetra nataon’i Elia, dia ny namonoany ny mpaminany rehetra tamin’ny sabatra.
- 2Ary Jezebela naniraka olona tany amin’i Elia hanao hoe: Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ny anankiray amin’ireny ny ainao raha maraina toy izao.
- 3Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
- 4Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin’ny anjavidy* anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.[Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin’ny kifafam-bohitra]
- 5Ary raha nandry natory teo ambanin’ny anjavidy* anankiray izy, indro, nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe. Miarena, ka homàna. [Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin’ny kifafam-bohitra]
- 6Dia nijery izy, ka, indro, teo anilan’ny lohany nisy mofo voaendy tamin’ny vato mahamay sy rano iray tavoara; ary nihinana sy nisotro izy, dia nandry indray.
- 7Ary avy fanindroany indray Ilay Anjelin’i Jehovah, dia nanohina azy ka nanao hoe: Mitohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao.
- 8Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin’ny tanjaka azony tamin’izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra.
- 9Ary niditra tao anatin’ny zohy izy ka nitoetra tao. Ary, indro, tonga taminy ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Manao inona atỳ ianao, ry Elia?
- 10Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
- 11Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin’ny tendrombohitra eo anatrehan’i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’: Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin’ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin’ny horohoron-tany;
- 12ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
- 13Ary raha ren’i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia ?
- 14Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an’i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak’Isiraely efa nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ary ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa. nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
- 15Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin’ny nalehanao ho any amin’ny efitr’i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan’i Syria;
- 16Ary Jeho,zanak’i Nimsy, dia hosory ho mpanjakan’ny Isiraely; ary Elisa, zanak’i Safata, avy any Abela-mehola, dia hosory ho mpaminany handimby anao.
- 17Ary izay afa-mandositra ny sabatr’i Hazaela dia hovonoin’i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr’i Jeho kosa dia hovonoin’i Elisa.
- 18Nefa hamela fito arivo ao amin’ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
- 19Ary niala teo Elia ka nahita an’i Elisa, zanak’i Safata, izay nampiasa omby efatra amby roa-polo mikambana tsiroaroa avy, fa izy teo amin’ny roa farany indrindra; ary Elia nandroso nanatona azy, dia nanipy ny kapôtiny hanarona azy.
- 20Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an’i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an’ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?
- 21Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny* tamin’ny hazo fiasàn’ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an’i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.