2 Timoty
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 4
- 1Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
- 2mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny fotoana, na tsy amin’ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
- 3Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana tsy misy kilema*; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany; [* Gr. salama]
- 4ary hampiala ny sofiny amin’ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ny anganongano.
- 5Fa ianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
- 6Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina]
- 7Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
- 8hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’izay rehetra tia ny fisehoany koa.
- 9[Fanaovam-beloma sy hafatra] Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
- 10fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia.
- 11Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.
- 12Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
- 13Ilay kapĂ´ty navelako tany Troasy tao amin’i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
- 14Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
- 15tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
- 16Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
- 17Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan’ny liona.
- 18Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 19Manaova veloma amin’i Prisila sy Akoila mbamin’ny ankohonan’i Onesiforosy;
- 20Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
- 21Mazotoa hankatỳ alohan’ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin’ny rahalahy rehetra.
- 22Ho amin’ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.