2 Timoty
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 2
- 1[Famporisihana an’Timoty haharitra tsara, na dia azom-pahoriana aza] Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ny fahasoavana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
- 2Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
- 3Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’i Kristy Jesosy.
- 4Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
- 5Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
- 6Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
- 7Diniho izay lazaiko, fa homen’ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ny zavatra rehetra ianao.
- 8Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ny maty, dia Ilay avy tamin’ny taranak’i Davida, araka ny filazantsarako,
- 9izay iaretako fahoriana hatramin’ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
- 10Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ny olom-boafidy, mba hahazoan’ireny koa famonjena. dia izay ao amin’i Kristy Jesosy. mbamin’ny voninahitra mandrakizay.
- 11Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
- 12raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
- 13fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
- 14[Ny mety hataon’i Timoty noho ny fisian’ny mpampianatra sandoka] Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
- 15Mazotoa manolotra ny tenanao amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara* ny teny fahamarinana. [* Na: mamoaka tsara; na: mizotra mahitsy amin’]
- 16Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
- 17ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady*; isan ireny Hymeneo sy Fileto, [* Gr. gangrena]
- 18izay nania tamin’ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ny maty, dia mamadika ny finoan’ny sasany.
- 19Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: "Ny Tompo mahalala ny azy", ary koa: "Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ny Tompo hiala amin’ny ratsy."
- 20Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
- 21Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ny Tompo, voavoatra ho amin’ny asa tsara rehetra.
- 22Fa mandosira ny filan’ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’izay miantso ny Tompo amin’ny fo madio.
- 23Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
- 24Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
- 25mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,
- 26ka hody ny sainy ho afaka amin’ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony*. [* Na: ka hody ny sainy - ho afaka amin’ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona - hanao ny sitrapon’Andriamanitra; na: fa ataon’ny mpanompon’ny Tompo sambo-belona izay hanao ny sitrapon’Andriamanitra]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.