2 Timoty
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 3
- 1[Ny amin’ny fihemorana any am-parany,] Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
- 2Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy*, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, [* Gr. manao blasfemia; izahao Mat. 9,3]
- 3tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara,
- 4mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra,
- 5manana ny endriky ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, nefa nandà ny heriny; ireny koa dia halaviro.
- 6Fa isan’ireny izay misokosoko miditra any an-tranon’ny sasany ka mahalasa ho babo ny vehivavy adaladala, vesaran’ny fahotana, entin’ny filàna maro,
- 7mianatra mandrakariva, nefa tsy mahatratra ny fahalalana ny marina.
- 8Ary tahaka ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy no anoheran’ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina.
- 9Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo koa.
- 10[Famporisihana an’i Timoty handroso tsara araka ny efa nataony ihany] Fa ianao kosa dia efa nanaraka tsara ny fampianarako, ny fitondran-tenako, ny fisainako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako,
- 11ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’izany rehetra izany.
- 12Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.
- 13Fa ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.
- 14Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao, satria fantatrao izay nampianatra anao izany;
- 15fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy.
- 16Izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana,
- 17mba ho tanteraka ny olon’Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.