Malakia
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 4
NOTE: Certaines versions de la Bible ajoute à la fin du chapitre 3 les 6 versets du chapitre 4 et il n’y a pas de chapitre 4.
- 1Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.
- 2Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ny tanany*; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’omby mifahy; [Heb. elany]
- 3ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ny faladianareo izay amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 4Tsarovinareo ny lelan’i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
- 5Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;
- 6ary izay hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana*. [Heb. herema]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.