Malakia
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 2
- 1[Ny tsi-fahamarinan’ny mpisorona, sy ny namalian’Andriamanitra azy] Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
- 2Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
- 3Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
- 4Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan’ny fanekeko amin’i Levy*, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. [Na: mba ho fanekeko amin’ny Levy zanany]
- 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy.
- 6Ny lalàn’ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ny molony; tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ny heloka.
- 7Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’i Jehovah, Tompon’ny maro, izy.
- 8Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ny lalàna ary namadika ny fanekena amin’i Levy, hoy Jehovah; Tompon’ny maro.
- 9Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’olona ny amin’ny lalàna.
- 10[Fananarana ny olona noho ny fisaoram-bady nataony sy ny nifanambadiany tamin’ny jentilisa] Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ? Koa nahoana no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin’ny razantsika?
- 11Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin’ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin’i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin’ny andriamani-kafa.
- 12Enga anie ka hofongoran’i Jehovah hiala amin’ny lain’i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza*, sy izay manatitra fanatitra ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro. [Heb. na ny mpiambina, na ny mpamaly]
- 13Ary faharoan’izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin’ny tananareo Izy.
- 14Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
- 15Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin’ilay anankiray? Taranaka araka an’Andriamanitra*. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. [Na: moa tsy iray va no nataony? Nefa nanana fanahy sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady taranaka araka an’Andriamanitra Izy]
- 16Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin’ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
- 17[Ny amin’ny andron’i Jehovah] Efa manasatra an’i Jehovah amin’ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no anasaranay Azy ? Amin’ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’i Jehovah ka ankasitrahany, na amin’ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.