Malakia
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 3
- 1Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin*’ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. [Na: Iraky]
- 2Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba.
- 3Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
- 4Dia ho mamin’i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin’ny andro fahiny sy toy ny tamin’ny taona taloha.
- 5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ny karamany mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 6Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana.
- 7Hatramin’ny andron’ny razanareo dia efa niala tamin’ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
- 8Handroba an’Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin’inona moa no androbanay Anao ? Amin’ny fahafolon-karena sy ny fanatitra*. [Heb. fanatitra asandratra]
- 9Voaozona amin’ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
- 10Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin’ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
- 11Ary hasiako teny mafy ny valala* noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. [Heb. mpandany]
- 12Ary ianareo hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 13Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
- 14Tamin’ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an’Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin’ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana* teo anatrehan’i Jehovah, Tompon’ny maro. [Na: nijoretra]
- 15Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an’Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
- 16Ary tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
- 17Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin’ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
- 18Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
NOTE: Certaines versions de la Bible ajoute à la fin du chapitre 3 les 6 versets du chapitre 4 et il n’y a pas de chapitre 4.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.