Jona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 3
- 1[Ny nitorian’i Jona teny tao Ninive] Ary tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 2Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.
- 3Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, dia lalana hateloana.
- 4Ary Jona niantomboka nandeha* tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.[Heb. niditra]
- 5Dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely.
- 6Ary nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ny lavenona.
- 7Ary nasaina nantsoina sy nambara eran’i Ninive araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman’osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
- 8Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.
- 9Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?
- 10Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.