Jona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 2
- 1[Ny namonjena an’i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon’ilay hazandrano hateloan’andro sy hateloan’alina.
- 2Dia nivavaka tamin’i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ny hazandrano Jona
- 3ka nanao hoe: Niantso an’i Jehovah tamin’ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ny fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela]
- 4Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, Dia tao amin’ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
- 5Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany.
- 6Ny rano nanarona ahy hatramin’ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
- 7Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro รด.
- 8Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin’ny tempolinao masina.
- 9Izay mivavaka amin’ny sampy* Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy** [*Heb. zava-poana mandainga][**Heb. ny famindram-pony]
- 10Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An’i Jehovah ny famonjena.
- 11Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ny tany maina Jona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.