Jona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 1
- 1[Ny nanirahan’Andriamanitra an’i Jona hankany Ninive, sy ny nandosirany, ary ny nanjo azy noho izany] Ary tonga tamin’i Jona, zanak’i Amitahy, ny tenin’i Jehovah nanao hoe:
- 2Mitsangàna, mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary miantsoa ny amin’ny hamelezana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.
- 3Nefa Jona nitsangana handositra ho any Tarsisy mba hiala eo anatrehan’i Jehovah; ary nidina tany Jopa izy ka nahita sambo hankany Tarsisy, dia nandoa ny karamany ka niondrana taminy hiara-mandeha tamin’ny tao ho any Tarsisy hiala eo anatrehan’i Jehovah.
- 4Fa Jehovah nahatonga rivotra mahery teny ambonin’ny ranomasina, dia nanonja mafy ny ranomasina, ka dia efa nila ho vaky ny sambo.
- 5Dia raiki-tahotra ny matilo, ka samy nitaraina tamin’ny andriamaniny avy sady nariany tany anaty ranomasina ny zavatra* tao an-tsambo mba hampahatony ny loza. Fa Jona kosa efa nidina nankao anaty sambo ka nandry renoky ny torimaso.[Heb. fanaka]
- 6Dia nankao aminy ny kapitenin-tsambo ka nanao taminy hoe: Endrey ity ianao renoky ny torimaso foana eto! Mitsangàna, ka antsoy ny Andriamanitrao, fa angamba hihevitra antsika Andriamanitra, ka dia tsy ho faty isika.
- 7Ary dia samy nanao tamin’ny namany hoe izy: Avia isika hanao filokana mba hizahantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jona no azo.
- 8Dia hoy ireo taminy: Masìna ianao, lazao aminay: Noho ny amin’iza moa no mahatonga izao loza izao amintsika? Inona no raharaha fanaonao? Ary avy taiza ianao? Aiza no taninao? Ary avy amin’ny firenen’iza ianao?
- 9Dia hoy izy tamin’ireo: Hebreo aho; ary Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, no ivavahako, dia Izay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.
- 10Dia raiki-tahotra indrindra ny olona ka nanao taminy hoe: Adray izato ataonao izato! Fa fantany fa nandositra hiala eo anatrehan’i Jehovah izy, satria efa nambarany taminy izany.
- 11Dia hoy ireo taminy: Hataonay ahoana ary ianao mba hahatony ny ranomasina aminay? Fa mbola nihananonja ihany ny ranomasina.
- 12Ary hoy izy tamin’ireo: Betao aho, ka atsipazo any anatin’ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo; fa fantatro fa noho ny amiko no mahatonga izao onja mahery izao aminareo.
- 13Nefa namaky onja fatratra ny olona mba hamerina ny sambo ho amin’ny tany maina, fa tsy zakany, satria ny ranomasina mbola nihananonja mafy taminy.
- 14Dia nitaraina tamin’i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao izahay, Jehovah ô, aoka tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity ary aza atao ho mpandatsaka rà marina izahay; fa Hianao, Jehovah ô, efa nanao izay sitraky ny fonao.
- 15Dia nobetain’izy ireo Jona ka natsipiny tany anatin’ny ranomasina; ary dia nitsahatra ny fisafoaky ny ranomasina.
- 16Dia natahotra an’i Jehovah indrindra ireo olona ireo ka namono zavatra hatao fanatitra ho an’i Jehovah sady nivoady.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.