Fitomaniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 5
- 1[Fitarainana amin’Andriamanitra sy fangatahana ny hodian’ny soa nananana fahiny] Jehovah ô, tsarovy izay nanjo anay; Hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.
- 2Ny lovanay dia afindra ho an’ny vahiny ary ny tranonay ho an’ny hafa firenena.
- 3Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray, ny reninay dia toy ny mpitondra-tena.
- 4Na dia ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana, ary ny kitay hazonay dia vidinay vao azo.
- 5Rambondrambonan’ny mpanenjika amin’ny hatokay izahay; Reraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.
- 6Nanolo-tanana tamin’ny Egyptiana sy ny Asyriana izahay mba ho voky hanina.
- 7Nanota ny razanay tsy etỳ intsony izy; Ary izahay no mivesatra ny helony.
- 8Andevo no manapaka anay; Tsy misy manafaka anay amin’ny tànany.
- 9Noho ny sabatra mamely any an-efitra dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.
- 10Mahamay toy ny fatana ny hodi-tray noho ny fahamaimaizana avy amin’ny mosary.
- 11Nosavihina ny vehivavy tao Ziona ary ny virijina tao amin’ny tanànan’ny Joda.
- 12Nahantona tamin’ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
- 13Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
- 14Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
- 15Ny hafalian’ny fonay dia nitsahatra, ary ny dihinay niova ho fitomaniana.
- 16Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
- 17Ary noho izany dia reraka ny fonay, eny, noho izany dia maizina ny masonay,
- 18Noho ny amin’ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ny amboahaolo.
- 19Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.
- 20Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ?
- 21Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.
- 22Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.