Fitomaniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 3
- 1[Ny amin’ny fitondrana alahelo, sy ny fampiononana ataon’Andriamanitra][ALEFA]Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ny tsorakazon’ny fahatezerany.
- 2Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ny maizina, fa tsy ho amin’ny mazava.
- 3Izaho ihany no asian’ny tànany mandritra ny andro mandrakariva.
- 4[BETA] Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako.
- 5Manorina izay hamelezany ahy Izy ary manemitra ahy amin’ny zava-mangidy sy ny fahoriana.
- 6Ampitoeriny ao amin’ny maizina toy izay efa maty fahagola aho.
- 7[GIMELA] Nofefeny manodidina aho ka tsy afa-nivoaka, nataony mavesatra ny gadrako.
- 8Ary na dia mitaraina sy minananana aza aho, dia tampenany ny fivavako.
- 9Vato voapaika no narafiny natampiny ny lalako, naolikoliny ny alehako.
- 10[DALETA] Tonga bera manotrika ahy Izy, ary toy ny liona ao amin’ny fierena;
- 11Namily ny alehako Izy, ary noviravirainy aho ka nataony mahatsiravina.
- 12Nanenjana ny tsipìkany Izy ka nanangana ahy ho toy ny marika hokendrena zana-tsipìka.
- 13[HE] Nampitsatoka ny zana-tsipìkany* tamin’ny voako Izy.[Heb. zanaky ny tranon-jana-tsipìka]
- 14Tonga fihomehezan’ny fireneko rehetra aho sady ataony an-kira mandritra ny andro.
- 15Novokisany zava-mangidy aho ary nobobohany zava-mahafaty.
- 16[VAO] Ary notorotoroiny tamin’ny sila-bato ny nifiko, sady natsinkasinkasiny tamin’ny lavenona aho.
- 17Ary noroahinao tsy hahita fiadanana ny fanahiko, ka efa hadinoko ny tsara.
- 18Dia hoy izaho: Levona ny faharetako sy ny fanantenako an’i Jehovah.
- 19[ZAINA] Tsarovy ny fahoriako sy ny fanjenjenako, dia ny zava-mahafaty sy ny rano mangidy.
- 20Tsaroan’ny fanahiko indrindra izany, ka mitanondrika ato anatiko izy.
- 21Izany no ho eritreretiko ato am-poko, ka dia hanantena aho.
- 22[HETA] Ny famindram-pon’i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika, fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
- 23Vaovao isa-maraina izany; lehibe ny fahamarinanao.
- 24Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko, ka dia hanantena Azy aho.
- 25[TETA] Tsara Jehovah amin’izay manantena Azy, dia amin’ny olona izay mitady Azy.
- 26Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.
- 27Tsara amin’ny olona ny mitondra zioga, raha mbola tanora izy.
- 28[JODA] Aoka hanjokaiky irery izy ka hangina, raha ampitondraina izany.
- 29Aoka hanohoka ny vavany eo amin’ny vovoka izy, angamba hisy hantenaina.
- 30Aoka hanolotra ny takolany ho amin’izay mamely azy izy ka ho feno latsa.
- 31[KAFA] Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo;
- 32Eny fa na dia mampahory aza Izy, dia mbola hiantra ihany araka ny haben’ny famindram-pony.
- 33Fa tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona.
- 34[LAMEDA] Ny fanitsakitsahana ny mpifatotra rehetra ambonin’ny tany ho eo ambanin’ny tongotra,
- 35Ny familiana ny rariny amin’ny olona eo anatrehan’ny Avo Indrindra,
- 36Ny famadihana ny adin’ny olona, dia samy tsy sitraky* ny Tompo.[Heb. jeren’]
- 37[MEMA] Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo?
- 38Tsy avy amin’ny vavan’ny Avo Indrindra va no ivoahan’ny soa sy ny loza ?
- 39Koa ahoana no imonomononan’ny olona mbola velona, fa no tsy aleo misento noho ny amin’ny fahotany avy*? [Na: Eny, nahoana no imonomononan’ny olona, raha mijaly noho ny fahotany?]
- 40[NONA] Aoka isika handinika sy hamantatra ny alehantsika ka hiverina indray amin’i Jehovah.
- 41Aoka hasandratsika amin’Andriamanitra any an-danitra ny fontsika sy ny tanantsika.
- 42Izahay efa nanota sy nanao ditra, ary Hianao kosa tsy namela heloka.
- 43[SAMEKA] Nisarona fahatezerana Hianao ka nanenjika anay; eny, novonoinao izahay, fa tsy niantranao.
- 44Nisarona rahona Hianao, ka dia voasakana ny vavaka.
- 45Nataonao tahaka ny fakofako sy ny zavatra nariana teo afovoan’ny firenena izahay.
- 46[PE] Ny fahavalonay rehetra misanasana vava aminay.
- 47Mahavoa anay ny tahotra sy ny lavaka ary ny fandringanana sy ny fahatorotoroana.
- 48Rano mandriaka no mijononoka amin’ny masoko noho ny faharatran’ny oloko zanakavavy.
- 49[AINA] Ny masoko mandrotsa-dranomaso ka tsy mijanona, eny, tsy misy fiatoana,
- 50Ambara-pitazan’i Jehovah ka ho tsinjony any an-danitra.
- 51Ny masoko mampiditra fahoriana ho an’ny fanahiko noho ny amin’ny zanakavavin’ny tanànako rehetra.
- 52[TSADE] Izay fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana dia nanenjika ahy mafy hoatra ny fanenjika voron-kely.
- 53Nanjera ahy tao an-davaka famoriandrano izy ka nitady hahafaty ahy sady nitora-bato ahy.
- 54Mandifotra ny lohako ny rano, ka dia hoy izaho: Maty* aho ity![Heb. Voajinja]
- 55[KOFA] Jehovah ô, niantso ny anaranao tany an-davaka lalina indrindra aho.
- 56Ny feoko dia efa renao, aza tampenana ny sofinao, raha mitaraina mitady izay mba hiainana kely aho.
- 57Nanakaiky Hianao tamin’ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Hianao: Aza matahotra.
- 58[RESY] Tompo ô, Hianao nandahatra ny adiko izay nikasika ny aiko, eny, nanavotra ny aiko Hianao.
- 59Jehovah ô, hitanao ny fitsarana miangatra natao tamiko, ka mba tsarao ny adiko.
- 60Hitanao ny famalian-dratsy rehetra ataon’ireo, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy
- 61[SINA] Jehovah ô, efa renao ny latsa ataony, dia ny saina rehetra entiny mamely ahy,
- 62Dia ny molotr’izay mitsangana hanohitra ahy sy ny saina ataony mandritra ny andro hamelezana ahy.
- 63Jereo ny fipetrany sy ny fitsangany, fa ataony an-kira aho.
- 64[TAO] Hovalianao araka ny asan’ny tànany izy, Jehovah ô.
- 65Eny, hohamaizininao ny fony, hihatra aminy ny ozonao.
- 66Henjehinao amin’ny fahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambanin’ny lanitr’i Jehovah.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.