Fitomaniana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 4
- 1[Fietren-tena noho ny fitsarana ataon’Andriamanitra, ary fanantenam-pamonjena] Indrisy! efa matromatroka ny volamena; Efa niova ny tena volamena tsara! Ny vato nohamasinina dia efa nahahany eny an-joron-dalambe rehetra eny.
- 2Indrisy! ny zanaka mahafinaritr’i Ziona, izay saro-bidy tahaka ny tena volamena, dia efa atao ho toy ny siny, asan-tànan’ny mpanefy tanimanga!
- 3Na dia ny amboadia* aza dia manolotra nono hampinonoany ny zanany; Fa ny oloko zanakavavy kosa dia efa masiaka toy ny ostritsa any an-efitra.[Na: jakala]
- 4Ny lelan’ny zaza minono miraikitra amin’ny lanilaniny noho ny hetaheta; Ny ankizy madinika mangataka hanina, nefa tsy misy mizara ho azy.
- 5Izay nihinana zava-py dia mahantra eny an-dalambe; Izay notezaina tamin’ny jaky dia mandamaka eny amin’ny zezika*.[Heb. Naziritany]
- 6Fa ny heloky ny oloko zanakavavy dia lehibe noho ny helok’i Sodoma, Izay noravana indray mipi-maso monja, nefa tsy nokasihin-tanana akory,
- 7Ny lehibeny* dia mangatsakatsaka noho ny fanala, eny, fotsy noho ny ronono; Mena noho ny voahangy** ny tenany; Tahaka ny vato safira ny endriny.[*Heb. Naziritany][**Na: perila]
- 8Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny tarehiny, ka tsy fantatra eny an-dalana izy; Ny hodiny miraikitra amin’ny taolany ka tonga maina toy ny hazo.
- 9Tsara ny matin-tsabatra noho ny maty mosary; Fa ireto dia mihareraka toy ny voatrobaka noho ny tsi-fisian’ny vokatry ny saha.
- 10Ny tanan’ny vehivavy malemy fanahy aza dia nahandro ny zanany: Eny, izany no nohaniny tamin’ny fandringanana ny oloko zanakavavy.
- 11Tanterahin’i Jehovah ny fahavinirany, naidiny ny fahatezerany mirehitra, ary Izy nampirehitra afo tao Ziona, handevonana ny fanorenany.
- 12Ny mpanjakan’ny tany sy ny mponina rehetra amin’izao tontolo izao dia tsy nanampo fa ny rafilahy sy ny fahavalo no ho tafiditra ao amin’ny vavahadin’i Jerosalema.
- 13Noho ny fahotan’ny mpaminany sy ny heloky ny mpisorony, izay nandatsaka ny ran’ny marina tao aminy, no nahatongavan’izao.
- 14Niraparapa toy ny jamba teny an-dalambe izy, sady voahosin-drà ny tenany, ka tsy nisy sahy nikasika ny akanjony.
- 15Ny olona niantsoantso azy hoe: Mialà ianareo, fa maloto, mialà, mialà, aza mikasika anay. Raha nandositra sy niraparapa izy, dia hoy ny olona tany amin’ny jentilisa: Tsy mahazo mivahiny atỳ intsony ireny.
- 16Ny fahatezeran*’i Jehovah no nampihahakahaka azy, ary tsy mijery azy intsony Izy; Ny mpisorona tsy hajain’ireny, ary ny antitra tsy amindrany fo.[Heb. tavany]
- 17Mbola pahina ny masonay miandry foana ny hamonjy anay; Nitazana teo amin’ny tilikambo izahay nanantena ny firenena izay tsy nahavonjy anay.
- 18Mitsongo-dia anay izy, ka tsy mahazo mandeha eny an-dalambe aza izahay; Akaiky ny fara-fiainanay, tapitra ny andronay, eny, tonga ny fara-fiainanay.
- 19Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ny voromahery eny amin’ny lanitra, ka miolomay manenjika anay any an-tendrombohitra ary manotrika anay any an-efitra izy.
- 20Ny fofonainay, ilay voahosotr’i Jehovah, dia efa voafandriky ny longoany, dia ilay nataonay hoe: Ao ambanin’ny alokalony no hahavelona anay any amin’ny firenena.
- 21Mifalia sy miraveravoa ihany ary, ry Edoma zanakavavy, izay monina any amin’ny tany Oza, ianao koa no horosoana ny kapoaka, ka ho mamo sy hitanjaka ianao.
- 22Tsy misy intsony ny helokao, ry Ziona zanakavavy, tsy ho entina ho babo intsony ianao; Hamaly anao Izy, ry Edoma zanakavavy, noho ny helokao ka hampiseho ny fahotanao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.