Estera
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Toko 6
- 1[Ny nanandratana an’i Mordekay, sy ny alahelon’i Hamana noho izany] Ary tamin’iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan’ny mpanjaka izany.
- 2Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an’i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ny tsindranolahin’1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an’i Ahasoerosy mpanjaka.
- 3Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon’ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
- 4Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan’ny tranon’ny mpanjaka tamin’izay hiteny amin’ny mpanjaka ny amin’ny hanantonana an’i Mordekay amin’ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
- 5Ka hoy ny zatovon’ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
- 6Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian’ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
- 7Ka dia hoy Hamana tamin’ny mpanjaka: Ny amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,
- 8aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
- 9dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan’ny anankiray izay malaza indrindra amin’ny mpanapaka voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.
- 10Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin’i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
- 11Dia nalain’i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an’i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin’ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra.
- 12Ary Mordekay niverina nankeo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
- 13Dia nolazain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
- 14Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin*’ ny mpanjaka ka naka faingana an’i Hamana ho ny amin’ny fanasana izay efa namboarin’i Estera.[Heb. ionoka]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.