Estera
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
Toko 3
- 1[Ny fahasosoran’i Hamana tamin’i Mordekay, sy ny hevitra nataony handringanana ny Jiosy] Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr’i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak’i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan’ny an’ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
- 2Ary ny mpanompon’ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’i Hamana; fa izany no didin’ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
- 3Dia hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay teo am-bavahadin’ny mpanjaka tamin’i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin’ny mpanjaka?
- 4Nefa na dia niteny taminy isan’andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain’Ireo tamin’i Hamana, mba hizahany na haharitra amin’ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin’ireo izy fa Jiosy.
- 5Ary rehefa hitan’i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
- 6Ary nataon’i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an’i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen’i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran’ny fanjakan’i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen’i Mordekay.
- 7Tamin’ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ny taona faharoa ambin’ny folo nanjakan’i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’i Hamana ny amin’ny isan’andro isan’andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ny volana faharoa ambin’ny folo (volana Adara izany)
- 8Ary hoy Hamana tamin’i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
- 9koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ny mpanjaka.
- 10Dia nesorin’ny mpanjaka tamin’ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an’i Hamana, zanak’i Hamedota Agagita, fahavalon’ny Jiosy.
- 11Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
- 12Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folo tamin’ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’i Hamana ho an’ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ny anaran’i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ny peratra fanombohan’ny mpanjaka.
- 13Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ny isan-tokony amin’ny fanjakan’ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ny zaza amim-behivavy aza, amin’ny indray andro monja, dia tamin’ny andro fahatelo ambin’ny folo tamin’ny volana faharoa ambin’ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
- 14Ny kopen’ny teny izay natao didy ho amin’ny isan-tokony amin’ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan*’ny olona rehetra hampiomana azy ho amin’izany andro izany.[Na: dia novakina tamin’]
- 15Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan’ny tenin’ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.