1 Jaona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 5
- 1Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
- 2Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
- 3Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
- 4Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
- 5Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’Andriamanitra?
- 6Izy ilay avy tamin’ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
- 7Fa misy telo izay manambara,
- 8dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
- 9Raha mandray ny fanambaran’ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’Andriamanitra; fa ny fanambaran’Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
- 10Izay mino ny Zanak’Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’Andriamanitra ny Zanany izy.
- 11Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany.
- 12Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
- 13[Ny amin’ny fivavahana ary ny tsi-fitovian’ny zanak’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy] Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
- 14Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
- 15ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
- 16Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana* ho an’izay manao ota tsy mahafaty*. Misy ota mahafaty**; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’izany izy. [* Gr. ota tsy ho amin’ny fahafatesana] [** Gr. ota ho amin’ny fahafatesana]
- 17Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty*. [* Gr. ota ny ho amin’ny fahafatesana]
- 18Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak’Andriamanitra, dia miaro ny tenany* ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy. [* Na: Ilay naterak’Andriamanitra no miaro azy]
- 19Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.
- 20Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin’ilay marina, dia ao amin’i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
- 21Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.