1 Jaona
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 4
- 1[Ny amin’ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran’Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’izao tontolo izao.
- 2Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra;
- 3ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra; ary izany no fanahin’ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy.
- 4Anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’izao tontolo izao.
- 5Isan’izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
- 6Avy amin’Andriamanitra izahay; izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ny fahamarinana sy ny fanahin’ny fampiviliana.
- 7Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra.
- 8Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
- 9Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
- 10Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra’noho ny fahotantsika.
- 11Ry malala, raha izany no nitiavan’Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
- 12Tsy mbola nisy olona nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany*. [* Na: ny fitiavana Azy]
- 13Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
- 14Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
- 15Na iza na iza manaiky fa Zanak’Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’Andriamanitra.
- 16Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ny fitiavana no mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
- 17Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’izao tontolo izao.
- 18Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ny fitiavana.
- 19Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
- 20Raha misy manao hoe: Tia an’Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?
- 21Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.