2 Petera
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 3
- 1[Ny amin’ny hihavian’ny Tompo, sy fananarana noho izany] Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ny fampahatsiarovana,
- 2mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina rahateo sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;
- 3efa fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany
- 4ka manao hoe: Aiza ny teny fikasana ny amin’ny fihaviany? Fa hatrizay nodian’ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny, hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao aza.
- 5Fa minia jamba ireo ka tsy mahalala fa nisy hatramin’ny ela ny lanitra, ary nisy tany koa, izay niseho avy tamin’ny rano, sady rano no nanaovana azy tamin’ny tenin’Andriamanitra,
- 6ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy;
- 7fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.
- 8Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro.
- 9Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon’ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra,
- 10Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, ary amin’izany ny lanitra dia ho lasa amin’ny firimorimoana mafy, ary ho levon’ny afo ny tenan’ny zavatra rehetra*, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy. [* Na: ny masoandro sy ny volana ary ny kintana]
- 11Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondran-tena masina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,
- 12sady manantena no mampahafaingana* ny hihavian’ny andron’Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan’ny zavatra rehetra*! [* Na: maniry mafy]
- 13Kanefa isika, araka ny teny fikasany, dia manantena lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana.
- 14Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana.
- 15Ary ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ekeo ho famonjena, tahaka ny voasoratr’i Paoly, rahalahy malalantsika, taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy,
- 16tahaka ny ataony ao amin’ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin’ireo efa misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin’ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.
- 17Koa, satria fantatrareo rahateo izany, ry malala, dia tandremo fandrao ho voataonan’ny fahadisoan’ny ratsy fanahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay iorenanareo;
- 18fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.