2 Petera
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 1
- 1[Fiarahabana, sy fananarana mba hitondra tena mendrika ny Kristiana] Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’i Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin’ny fahamarinan’i Jesosy Kristy, Andriamanitsika sy Mpamonjy: [* Na: ny fahamarinan’Andriamanitra sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
- 2hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.
- 3Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany*; [* Na: [tamin’ny voninahitra sy ny fahatsarana]
- 4ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filàna;
- 5koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana,
- 6ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra,
- 7ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.
- 8Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra ianareo amin’ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.
- 9Fa izay tsy manana izany zavatra izany kosa dia toa jamba ka tsy mahajery lavitra, sady nanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany voalohany izy.
- 10Ary amin’izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay;
- 11fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin’ny fanjakana mandrakizay, izay an’i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika.
- 12[Fananarana mba hiorina tsara amin’ny fampianarana marina] Koa hazoto mandrakariva hampahatsiaro anareo ny amin’izany zavatra izany aho, na dia efa fantatrareo aza, ka efa naorina tsara amin’ny fahamarinana izay efa eo aminareo.
- 13Fa raha mbola eto amin’ity trano-lay ity aho, dia ataoko fa mety ny hampifoha anareo amin’ny fampahatsiarovana anareo,
- 14satria fantatro fa ho avy tampoka ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa.
- 15Ary dia hataoko izay zakako mba hisy hahatsiarovanareo izany zavatra izany mandrakariva, rehefa maty aho.
- 16Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany.
- 17Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5).
- 18Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.
- 19Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’andro;
- 20fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany;
- 21fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.