1ère lettre de Pierre
1 Petera
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 4
- 1Koa satria niaritra tamin’ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ny nofo dia efa afaka* tamin’ny ny ota; [* Gr.nampitsaharina]
- 2mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin’ny nofo araka ny filan’ny olona intsony, fa araka ny sitrapon’Andriamanitra.
- 3Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon’ny jentilisa tamin’ny nandehanana tamin’ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fimamoana sy ny filalaovan-dratsy sy ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra;
- 4ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;
- 5nefa hampamoahin’ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty
- 6Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty aza; mba hotsaraina araka ny olona amin’ny nofo izy fa ho velona araka an’Andriamanitra amin’ny fanahy.
- 7Fa antomotra ny faran’ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ny fivavahana.
- 8Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12)
- 9Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.
- 10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’Andriamanitra.
- 11Rana misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’Andriamanitra azy; mba hankalazana an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena,
- 12[Fananarana mba hiaritra, raha enjehina noho ny fahamarinana] Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,
- 13fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa.
- 14Sambatra ianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy, fa ny Fanahin’ny voninahitra, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.
- 15Fa aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’olona.
- 16Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’Andriamanitra amin’izany anarana izany izy.
- 17Fa tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan*’Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny filazantsaran’Andriamanitra? [* Gr. tranony]
- 18Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan ny ratsy fanahy sy sy ny mpanota? (Oha 11. 31).
- 19Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.