1ère lettre de Pierre
1 Petera
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
5
Toko 3
- 1Ary toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondran-tenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny),
- 2rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondran-tenanareo amin’ny fahatahorana.
- 3Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana;
- 4fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra.
- 5Fa tahaka izany no niravahan’ny vehivavy masina fahiny, izay nanantena an’Andriamanitra sady nanaiky ny vadiny;
- 6dia tahaka an’i Saraha, izay nanaiky an’i Abrahama ka nanao azy hoe "tompoko"; dia zanany ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.
- 7Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin’ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
- 8[Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan’i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena,
- 9tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin’izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.
- 10"Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka;
- 11Ary aoka izy hiala amin’ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
- 12Fa ny mason’ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan’ny Tompo dia tezitra amin’ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).
- 13Ary iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin’izay tsara ianareo?
- 14Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo;
- 15fa manamasìna an i’Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8.12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana,
- 16ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.
- 17Fa raha sitrapon’Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa noho ny amin’ny fanaovan-dratsy.
- 18Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo, fa novelomina tamin’ny fanahy,
- 19izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina,
- 20dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano,
- 21izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan’io tandindona io,- tsy ny fanesorana ny fahalotoan’ny nofo anefa, fa ny fitadiavana* ny fieritreretana tsara eo anatrehan**’Andriamanitra***, amin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. [* Na: fanontanian’] [** Na: amin’] [*** Na: ny fitadiavan’ny fieritreretana tsara an’Andriamanitra]
- 22Izay eo amin’ny tanana ankavanan’Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.