Titosy
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 3
- 1Mampahatsiarova azy hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra,
- 2tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.
- 3Fa isika koa dia adala fahiny, tsy nanaiky, voafitaka, dia andevon’ny filàna sy ny fahafinaretana maro, ary velona teo amin’ny lolompo sy ny fialonana, sady hala no nifankahala.
- 4Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona,
- 5dia tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina,
- 6Izay naidiny betsaka tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika,
- 7mba hohamarinina amin’ny fahasoavany isika ka ho tonga mpandova araka ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.
- 8Mahatoky izany teny izany, ary izany zavatra izany dia tiako hitompoanao mafy, mba hotandreman’izay efa mino an’Andriamanitra ny hanao asa tsara. Sady tsara no mahasoa ny olona izany zavatra izany.
- 9Fa halaviro ny fanontaniana adala sy ny tantaram-pirazanana sy ny fifandirana sy ny ady teny ny amin’ny lalàna; fa tsy mahasoa sady zava-poana izany.
- 10Izay mpanao hevi-diso*, rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao, [* Na: olona mitokana ho azy]
- 11satria fantatrao fa voavadika izay manao izany ka sady manota no manamelo-tena koa.
- 12Rehefa maniraka an’i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
- 13Mazotoa hamoaka an’i Zena mpahay lalàna sy Apolosy, mba tsy hisy zavatra hilainy.
- 14Ary aoka ny antsika koa hianatra hanao asa tsara hahazoany izay ilainy, fandrao tsy hisy vokatra izy.
- 15Manao veloma anao izay rehetra atỳ amiko. Manaova veloma izay rehetra tia anay amin’ny finoana. Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavana.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.