Titosy
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 2
- 1[Ny mety hataon’ny anti-panahy sy ny tanora fanahy sy ny mpanompon’olona, ary fananarana sy hafatra samy hafa] Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema*; [* Gr. salama]
- 2ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka* amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana. [* Gr. salama]
- 3Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara,
- 4mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany,
- 5hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy* ny tenin’Andriamanitra. [* Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat. 9,3]
- 6Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena;
- 7ka amin’ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin’ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana,
- 8ny teny tsy misy kilema*, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. [* Gr. salama]
- 9Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin’ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly,
- 10tsy hangala-tetỳ, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin’ny zavatra rehetra.
- 11Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra,
- 12mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao,
- 13miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy*, [* Na: Andriamanitra lehibe sy Jesosy Kristy, Mpamonjy antsika]
- 14Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany.
- 15Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin’ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.