Nehemia
Toko 5
- 1Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ny Jiosy rahalahiny.
- 2Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin’ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.
- 3Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.
- 4Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
- 5Kanefa mba tahaka ny nofon’ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin’ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.
- 6Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
- 7Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin’ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
- 8Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin’ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
- 9Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ny fahatahorana an’Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ny jentilisa fahavalontsika?
- 10Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
- 11eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin’olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton’ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
- 12Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
- 13sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan’Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin’ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an’i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
- 14Ary koa, hatramin’ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ny tany Joda, dia hatramin’ny taona faharoa-polo ka hatramin’ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’i Artaksersesy, dia roa ambin’ny folo taona izay, izaho sy ny raha!ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman’ny governora.
- 15Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’Andriamanitra.
- 16Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa.
- 17Ary teo amin’ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin’ny firenena manodidina anay.
- 18Ary ny namboarina ho ahy isan’andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman’ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.
- 19Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ity firenena ity.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.