Nehemia
Toko 3
- 1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ny tilikambo Hamea ka hatramin’ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
- 2Ary manarakaraka ireo dia nandrafitra koa ny mponina tany Jeriko. Ary manarakaraka ireo indray dia nandrafitra koa Zakora, zanak’Imry.
- 3Ary ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’i Hasena, izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny.
- 4Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota.zanak’i Oria, zanak’i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’i Berekia, zanak’i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’i Bana.
- 5Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny Tekoita; nefa ny olona ambonimbony teo aminy dia tsy nety nampiondrika ny vozony ho amin’ny fanompoana ny Tompony.
- 6Ary ny vavahady taloha dia namboarin’i Joiada, zanak’i Pasea, sy Mesolama, zanak’i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny.
- 7Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita mbamin’ny mponina tany Gibeona sy Mizpa, hatramin’ny seza fiandrianan’ny governora etỳ an-dafin’ny ony etỳ.
- 8Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’i Haraia, isan’ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’i Jerosalema izy hatramin’ny mandà lehibe.
- 9Ary manarakaraka io dia namboatra koa Refaia. zanak’i Hora, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Jerosalema.
- 10Ary manarakaraka io dia namboatra koa Jedaia, zanak’i Haromafa, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Hatosy, zanak’i Hasabnia.
- 11Ny sasany koa mbamin’ny tilikambo misy ny fatana fandoroana dia namboarin’i Malkia, zanak’i Harima, sy Hasoba. zanak’i Pahatamoaba.
- 12Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Saloma, zanak’i Halohesy, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Jerosalema, dia izy sy ny zananivavy.
- 13Ny vavahady mankamin’ny lohasaha dia namboarin’i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ny manda hatramin’ny vavahadin-jezika.
- 14Ary ny vavahadin-jezika dia namboarin’i Malkia, zanak’i Rekaba, komandin’ny fehin’i Beti-hakerema; izy no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny.
- 15Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’i Saloma, zanak’i Kola-hoze, komandin’ny fehin’i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ny farihy Siloa, teo anilan’ny sahan’ny mpanjaka, ka hatramin’ny ambaratonga midina avy any an-Tanànan’i Davida.
- 16Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’i Azboka, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Beti-zora, hatramin’ny teo amin’ny tandrifin’ireo fasan’i Davida ka hatramin’ny farihy izay natao ary hatramin’ny tranon’ny lehilahy mahery.
- 17Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia , komandin’ny antsasaky ny fehin’i Keila, ho an’ny fehiny.
- 18Manarakaraka io dia namboatra koa ireo rahalahiny, dia Bavay, zanak’i Henadada, komandin’ny antsasaky ny fehin’i Keila.
- 19Ary manarakaraka lreo dia nisy namboarin’i Ezera, zanak’i Jesoa, komandin’i Mizpa, teo amin’ny tandrifin’ny fiakarana ho any amin’ny trano fitehirizam-piadiana eo amin’ny fiolahana.
- 20Manarakaraka io koa dia Baroka, zanak’i Zabay, no nazoto namboatra ny sasany hatramin’ny fiolahana ka hatramin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba mpisoronabe.
- 21Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’i Meremota, zanak’i Oria, zanak’i Hakoza, hatramin’ny varavaran’ny tranon’i Eliasiba ka hatramin’ny faran’ny tranon’i Eliasiba.
- 22Ary manarakaraka io dia namboatra koa ny mpisorona, dia ireo avy tany amin’ny tany lemaka.
- 23Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ny tandrifin’ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’i Mahaseia, zanak’i Anania, teo anilan’ny tranony ihany.
- 24Manarakaraka io koa, dia nisy namboarin’i Binoy, zanak’i Henadada, hatramin’ny tranon’i Azaria ka hatramin’ny fiolahana eo amin’ny zorony.
- 25Ary Palala, zanak’i Ozay, koa, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny fiolahana sy izay mandroso eo amin’ny tilikambo ambony, eo amin’ny ranon’ny mpanjaka, eo akaikin’ny tokotanin’ny trano-maizina. Manarakaraka io koa dia Pedaia, zanak’i Parosy.
- 26Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ny tandrifin’ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ny tilikambo.
- 27Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ny Tekoita, teo amin’ny tandrifin’ny mandroso eo amin’ny tilikambo lehibe ka hatramin’ny mandan’i Ofela.
- 28Hatreo ambonin’ny vavahadin-tsoavaly dia namboarin’ny mpisorona, dia samy ny teo amin’ny tandrifin’ny tranony avy.
- 29Manarakaraka ireo dia namboatra koa Zadoka, zanak’Imera, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny. tranony ihany. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Semaia, zanak’i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
- 30Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’i Hanania, zanak’i Setemia, sy Hanona, fahenin’ny zanak’i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’i Berekia, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny efi-tranony ihany.
- 31Manarakaraka io dia namboatra koa Malkia, isan’ny mpanefy volamena, hatramin’ny tranon’ny Netinima sy ny mpandranto, dia ny teo amin’ny tandrifin’ny vavahady Mifikada ka hatramin’ny trano ambony teo an-jorony.
- 32Ary ny teo anelanelan’ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ondry no namboarin’ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
- 33Ary rehefa ren’i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,
- 34dia niteny teo anatrehan’ny namany sy ny miaramilan’i Samaria hoe: Inona no ataon’ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin’ny lavenona miavosa va ireo?
- 35Ary Tobia Amonita dia teo anilan’i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin’izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.
- 36Mihainoa, ry Andriamanitray รด, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin’ny tany izay ahababoany izy.
- 37Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ireo mandrafitra izy.
- 38Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin’ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.