◀ Nomery Josoa ▶

Deotoronomia

Accés rapide à un CHAPITRE :

  1     2     3     4     5     6     7     8     9     10     11     12     13     14     15     16     17     18     19     20     21     22     23     24     25     26     27     28     29     30     31     32     33     34  

Toko 1


Toko 2


Toko 3


Toko 4


Toko 5


Toko 6


Toko 7


Toko 8


Toko 9


Toko 10


Toko 11


Toko 12


Toko 13


Toko 14


Toko 15


Toko 16


Toko 17


Toko 18


Toko 19


Toko 20


Toko 21


Toko 22


Toko 23


Chapitre 24
  • 1[Didy samy hafa ny amin’ny fisaoram-bady sy ny tsi-fanaovana izay hampahory ny sasany] Raha misy lehilahy maka vady ka mampakatra azy, ary tsy tiany intsony ravehivavy noho ny ahitany fahalotoana eo aminy, dia aoka hanoratra taratasy fisaoram-bady ho an-dravehivavy Izy ary hanolotra izany eo an-tànany ka hampiala azy ao an-tranony.
  • 2Ary rehefa miala ao an-tranony ravehivavy, dia mahazo mandeha ka manambady olon-kafa.
  • 3Ary raha tsy tia an-dravehivavy ilay vao manambady azy ka manoratra taratasy fisaoram-bady koa ary manolotra izany eo an-tànany ka mampiala azy ao an-tranony, na maty ilay nanambady azy taoriana:
  • 4ilay nanambady azy taloha ka nisaotra azy dia tsy mahazo manambady azy intsony, rehefa voaloto izy; fa fahavetavetana eo imason’i Jehovah izany; ary aza mampiditra heloka amin’ny tany, izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
  • 5Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
  • 6Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatòka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatòka izany.
  • 7Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ny Zanak’Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
  • 8Mitandrema ny amin’ny habokana, ka araho tsara izay rehetra hatoron’ireo Levita mpisorona anareo; araka izay nandidiako azy no hotandremanareo harahina.
  • 9Tsarovy izay nataon’i Jehovah Andriamanitrao tamin’i Miriama teny an-dalana tamin’ny nandehananareo avy tany Egypta.
  • 10Raha mampisambo-javatra ny namanao ianao, dia aza miditra ao an-tranony handray ny antoka aminy.
  • 11Mijanòna eo ala-trano, ary ny lehilahy izay nampisamborinao no hamoaka ny antoka ho aminao eo ala-trano.
  • 12Ary raha malahelo ralehilahy, dia aza tananao miloaka alina ny antoka,
  • 13fa tsy maintsy haverinao aminy mihitsy, rehefa tokony ho maty masoandro, mba hirakofany ny lambany, ka hisaorany anao; dia ho fahamarinana ho anao eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao izany.
  • 14Aza manao fitondrana sarotra amin’ny mpikarama izay mahantra sy malahelo, na rahalahinao, na vahiny ao amin’ny taninao sy ao an-tanànanao.
  • 15Fa andro anaovany ihany no hanomezanao azy ny karamany, raha mbola tsy milentika ny masoandro, fa malahelo izy, ka izany no irin’ny fony; fandrao hitaraina amin’i Jehovah noho ny nataonao izy, dia ho fahotana aminao izany.
  • 16Ny ray tsy hatao maty amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon’ny rainy; fa samy hatao maty amin’ny fahotany avy ihany ny olona.
  • 17Aza manao fitsarana miangatra amin’ny vahiny sy ny kamboty; ary aza maka ny fitafian’ny mpitondratena ho tsatòka.
  • 18Fa tsarovy fa andevo tany Egypta ianao, ary Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao ho afaka tany; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.
  • 19Raha mijinja ny varinao any an-tsaha ianao, ka misy amboara hadinonao any, dia aza miverina haka azy; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany; mba hotahin’i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.
  • 20Raha manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
  • 21Raha mioty ny voalobokao ianao, dia aza miverina hitsimpona izay sisa; fa aoka ho an’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany.
  • 22Ary tsarovy fa andevo tany amin’ny tany Egypta ianao; koa izany no andidiako anao hanao izany zavatra izany.

  • Toko 25


    Toko 26


    Toko 27


    Toko 28


    Toko 29


    Toko 30


    Toko 31


    Toko 32


    Toko 33


    Toko 34


    ◀ Nomery Josoa ▶

    Suivez-nous sur facebook :

    bible974.com

    Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.

    made on a mac