Filipiana
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
4
Toko 4
- 1Ary amin’izany, ry rahalahy sady malalako no mahamanina ahy, fifaliako sy satro-boninahitro, tomoera tsara ao amin’ny Tompo ianareo, ry malalako.
- 2Mananatra an’i Eodia aho, ary mananatra an’i Syntyke, mba hiray saina ao amin’ny Tompo izy.
- 3Eny, mangataka aminao koa aho, ry ilay tena mpiara-miasa amiko, manampia azy roa vavy, fa niara-niasa fatratra tamiko teo amin’ny filazantsara izy, mbamin’i Klementa koa sy ny mpiara-miasa amiko sisa, izay voasoatra ao amin’ny bokin’ny fiainana.
- 4Mifalia* mandrakariva amin’ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma]
- 5Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.
- 6Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra.
- 7Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.
- 8Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.
- 9Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.
- 10[Saotra nataon’i Paoly ny Filipiana noho ny fanomezana nampitondrainy an’i Epafrodito, ary fanaovam-beloma sy tso-drano. Ary faly indrindra ao amin’ny Tompo aho, satria nampitsimohinareo indray ankehitriny ny fiheverana ahy, izay efa noheverinareo rahateo, saingy tsy mbola nahita andro hanaovana ianareo.
- 11Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
- 12Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
- 13Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy.
- 14Kanefa nanao soa ianareo no niaraka ory tamiko ka niantra ahy.
- 15Ary fantatrareo koa, ry Filipiana, fa tamin’ny niandohan’ny filazantsara, rehefa niala tany Makedonia aho, tsy nisy fiangonana* nanan-draharaha tamiko ny amin’ny fanomezana sy fandraisana, afa-tsy ianareo ihany. [* Gr. eklesia]
- 16Fa fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa ianareo hamonjy ahy.
- 17Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho.
- 18Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza; feno aho, rehefa nandray tamin’i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian’Andriamanitra sady ankasitrahany.
- 19Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin’ny voninahitra no amin’i Kristy Jesosy.
- 20Ary ho an’Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- 21Manaova veloma ny olona masina rehetra ao amin’i Kristy Jesosy. Manao veloma anareo ny rahalahy izay ato amiko.
- 22Manao veloma anareo ny olona masina rehetra, indrindra fa ny ankohonan’i Kaisara.
- 23Ho amin’ny fanahinareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.