Hagay
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
Toko 2
- 1[Ny voninahitry ny tempoly vaovao, sy ny fitahiana ho azon’ny olon’Andriamanitra] Tamin’ny andro fahiraika amby roa -polo tamin’ny volana fahafito no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah nentin’i Hagay mpaminany nanao hoe:
- 2Lazao amin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora any Joda, sy amin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin’ny sisa amin’ny vahoaka hoe:
- 3Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin’ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity?
- 4Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro,
- 5araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo.
- 6Fa izao no lazain’i Jehovah. Tompon’ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;
- 7ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 8Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 9Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon’ny maro; ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
- 10Tamin’ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa no nahatongavan’ny tenin’i Jehovah nentin’i Hagay mpaminany nanao hoe:
- 11Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Andeha maka hevitra amin’ny mpisorona hoe:
- 12Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
- 13Ary hoy Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Ho tonga maloto ireo.
- 14Dia namaly Hagay nanao hoe: Tahaka izany eo anatrehako ireto olona ireto, ary tahaka izany ity firenena ity, hoy Jehovah; ary tahaka izany koa ny asan’ny tànany rehetra; fa izay ateriny ao dia maloto.
- 15Koa masìna ianareo, hevero ny hatramin’izao andro anio izao no ho mankary, dia fony tsy mbola nisy vato nifanongoa tao amin’ny tempolin’i Jehovah;
- 16fony tamin’izany andro izany raha nisy nankamin’ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon’ny famarana, dia roa-polo ihany.
- 17Ny vary main’ny rivotra sy maty fotsy sy ny havandra no namelezako anareo tamin’ny asan’ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
- 18Masìna ianareo, hevero ny hatramin’izao andro anio izao no ho mankary, dia hatramin’ny andro fahefatra amby roa-polo amin’ny volana fahasivy, eny, hevero hatramin’ny andro nanorenana ny tempolin’i Jehovah.
- 19Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongaben-danitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin’izao andro anio izao no hitahiako anareo.
- 20Ary tonga fanindroany tamin’i Hagay ny tenin’i Jehovah tamin’ny andro fahefatra amby roa-polo nanao hoe:
- 21Lazao amin’i Zerobabela, governora any Joda, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany
- 22dia hahohoko ny seza fiandrianan’ny fanjakana, ary hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
- 23Amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak’i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.