Zefania
Fidirana haingana amin’ny toko iray :
1
2
3
Toko 1
- 1Ny tenin’i Jehovah, izay tonga tamin’i Zefania, zanak’i Kosy, zanak’i Gedalia, zanak’i Amaria, zanak’i Hezekia, tamin’ny andro nanjakan’i Josia, zanak’i Amona, mpanjakan’ny Joda.
- 2[Ny hamaliana ny firenena rehetra noho ny ratsy nataony, indrindra fa ny Joda] Hakifako tokoa ny zavatra rehetra tsy ho eny ambonin’ny tany, hoy Jehovah;
- 3Eny, hakifako ny olona sy ny biby; Hakifako ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny hazandrano any an-dranomasina. Ary ny zavatra mahatafintohina mbamin’ny ratsy fanahy, Haringako tsy ho amin’ny tany ny olona, hoy Jehovah.
- 4Ary hahinjitro ny tanako hamely ny Joda sy ny mponina rehetra any Jerosalema; Dia haringako tsy ho eo amin’ity tany ity ny sisa amin’i Bala, Sy ny anaran’ny mpisorona amin’ny andriamani-tsi-izy mbamin’ny tena mpisorona,
- 5Sy izay mivavaka any an-tampon-trano amin’izay eny amin’ny lanitra,Ary izay miankohoka sy mianiana ho an’i Jehovah Sady mianiana amin’i Malkama*, [*Na: ny mpanjakany]
- 6Ary izay nihemotra niala tamin’i Jehovah, Sy izay tsy nitady an’i Jehovah na nanontany taminy.
- 7Mangina eo anatrehan’i Jehovah Tompo! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah; Fa Jehovah efa niomana hamono zavatra hatao fanatitra Ka efa nanamasina ny olona nasainy.
- 8Ary raha mby amin’ny andro hamonoan’i Jehovah zavatra hatao fanatitra, Dia hovaliako ny lehibe sy ny zanak’andriana Mbamin’izay rehetra mitafy ny fitafin’ny firenena hafa.
- 9Ary amin’izany andro izany dia hovaliako izay rehetra miezaka mihoatra ny tokonana, Dia ireo mameno loza sy fitaka ny tranon’ny tompony.
- 10Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin’ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin’ny havoana.
- 11Midradradradrà, ianareo mponina ao Maktesy*; Fa ringana avokoa ny mpandranto** rehetra, Eny, lany ringana izay rehetra nivesatra volafotsy. [*Maktesy = Laona] [**Na: vahoakan’i Kanana]
- 12Ary amin’izany andro izany dia hotsiloviko amin’ny jiro Jerosalema, Ka hovaliako ny olona izay efa lefy ao amin’ny faikany, Dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa Jehovah no tsy hanao ratsy.
- 13Ka dia ho tonga babo ny fananan’ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
- 14Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; Eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra, Injay! feon’ny andron’i Jehovah! Ny lehilahy mahery dia mitomany mafy any.
- 15Andro fahatezerana izany andro izany, Andro fahoriana sy fahalahelovana, Andro fandravana sy fanafoanana, Andro maizina sy manjombona, Andro mandrahona sy maizim-pito.
- 16Andro fahaveloman’ny anjomara sy ny akora, Hamelezana ny tanàna mimanda sy ny tilikambo avo eny amin’ny zorony.
- 17Ary hampahory ny olona Aho, Handehanany toy ny jamba, Satria efa nanota tamin’i Jehovah izy; Ny ràny dia haidina toy ny vovoka, Ary ny nofony ho toy ny zezika.
- 18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah, Fa holevonin’ny afon’ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka* tokoa no hataony amin’ny mponina amin’ny tany. [*Na: mahatsiravina]
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.