Daniela
Toko 10
- 1[Toky ho an’ny olon’Andriamanitra fa tsy ho resin’ny fahavalony izy] Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia, dia nisy nambara tamin’i Daniela, izay atao hoe Beltesazara; marina ny teny, ary ady mafy no nolazainy; ary nahalala ny teny izy sady nahafantatra ny fahitana.
- 2Tamin’izany andro izany izaho Daniela dia nisaona roatokom-bolana mipaka.
- 3Tsy nihinana hanim-py aho, sady tsy nanendry hena na divay ny vavako, ary tsy nihosotra diloilo akory aho ambara-pahatapitry ny roatokom-bolana mipaka.
- 4Ary tamin’ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ny volana voalohany, raha teo amoron’ny ony lehibe aho (Hidekela izany),
- 5dia nanopy ny masoko aho ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy iray nitafy rongony fotsy, ka tena volamena avy any Ofaza no nisikinany;
- 6tahaka ny krysolita ny tenany. ary tahaka ny helatra ny tarehiny, ary tahaka ny fanilo mirehitra ny masony, ary mivolom-barahina manganohano ny sandriny sy ny tongony; ary ny feony toy ny feon’olona maro be;
- 7ary izaho Daniela ihany no nahita ny fahitana; fa ny olona izay teo amiko kosa tsy mba nahita izany, fa toran-kovitra indrindra izy ka nandositra niery.
- 8Ary dia nilaozana ho irery aho ary nahita izany fahitana lehibe izany, dia tsy nisy hery tafajanona tato amiko; fa nihasimba nivaloarika ny tarehiko, ary tsy nisy hery intsony tamiko.
- 9Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ny tany.
- 10Ary, indro, nisy tanana nanohina ka nanarina ahy handohalika sy hitehin-tanana, nefa mbola nangozohozo ihany.
- 11Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela malala รด, fantaro ny teny Izay lazaiko aminao, ka mijoroa; fa nirahina ho atỳ aminao aho ankehitriny. Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia nitsangana nangozohozo teo aho.
- 12Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin’ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
- 13Fa ilay andrianan’ny fanjakan’i Persia nanohitra ahy iraika amby roa-polo andro; fa indro kosa Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe*, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho ihany no sisa nijanona teo amin’ny mpanjakan’i Persia.[Heb. voalohany]
- 14Ary avy hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao any am-parany aho, satria mbola hihatra amin’izany andro izany ny fahitana.
- 15Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin’ny tany aho sady tsy nahateny.
- 16Ary, indro, nisy anankiray miendri-janak’olombelona nanendry ny molotro, dia niloa-bava aho ka niteny nanao tamin’ilay nitsangana teo anatrehako hoe: Tompoko, azon’ny fanaintainana aho noho ny fahitana ka tsy manan-kery intsony.
- 17Fa aiza no ahazoan’ity izaho mpanompon’ny tompoko ity hiteny aminao tompoko? Ary tamin’izay dia tsy nisy hery nitoetra tato amiko intsony, na nisy aina sisa tato amiko.
- 18Ary nisy indray nanana endrik’olona nanendry ahy koa, dia nampahery ahy
- 19ka nanao hoe: Aza matahotra, ry ilay malala indrindra; fiadanana anie ho anao, mahereza, eny, mahereza. Ary rehefa niteny tamiko izy, dia nihahery aho ka nanao hoe: Aoka hiteny ianao tompoko, satria efa nampahery ahy.
- 20Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan’i Grisia.
- 21Fa hambarako aminao izay voasoratra ao amin’ny soratra marina; nefa tsy misy miara-misikina amiko hanohitra ireo, afa-tsy Mikaela andriananareo.
Safidio ny BOKY avy amin’ny karazan-tsafidy ary lazao tsy voatery resahina ny TOKO sy ny ANDININY
Toute reproduction, même partielle, est interdite. Les droits d’auteur concernent la traduction, l’apparence et les fonctionnalités du site.